𝐅𝐎𝐅𝐈𝐅𝐀 : 𝐋𝐚𝐧𝐨𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐟𝐚𝐧𝐨𝐤𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐥𝐚𝐛𝐨𝐫𝐚𝐭𝐨𝐚𝐫𝐚 𝐧𝐨𝐡𝐚𝐯𝐚𝐨𝐳𝐢𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐭𝐫𝐚𝐧𝐨 𝐟𝐢𝐭𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐧𝐚.
Notokanan’ny Filoham-pirenena Andry Nirina RAJOELINA ny 11 may 2022 teny amin’ny foibem-pikarohana FOFIFA Ambatobe ireo foto-drafitrasam-pikarohana izay nohavaozina toy ny laboratoara misahana ny fahasalaman’ny voly sy ny trano fitaratra fanaovana andrana sy fampitomboana ny masomboly nohatsaraina.



Niatrika izany ny Ministra roa miahy ity foibem-pikarohana ity dia ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr. ASSOUMACOU Elia Béatrice ary ny Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana, RAMILISON Harifidy.



Ireo laboratoara ireo dia ahitana fitaovana maro sy arifomba, natao indrindra ahafantarana ny antony mankarary ny voly sy hitadiavana vahaolana amin’izany.
Ireo trano fitaratra fanaovana andrana kosa dia natao hamokarana masomboly salama sy mahazaka ny fiovaovan’ny toetrandro ary ihany koa hikarohana ireo fahavalon’ny fambolena.



Ny tetikasa “FoodSec Semence”, izay vatsian’ny vondrona Eropeana vola amin’ny alalan’ny “Commission de l’Océan Indien” (COI) sy ny CIRAD dia tafiditra anatin’ny velirano faha sivy ny Filoham-pirenena mahakasika ny fahavitan-tena ara-tsakafo.
Ny FOFIFA na ny Foibem-pirenena momban’ny Fikarohana ampiharina amin’ny fampandrosoana eny Ambanivohitra dia iray amin’ireo ivon-toeram-pikarohana sivy eo ambanin’ny fiahian’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-Tsiansa.


 |