Araka ny didim-panjakana laharana 2025-426 noraisina nandritra ny Filan-kevitry ny Minisitra ny 16 aprily 2025, manendry ireo Filohan'ny Oniversite manerana ny Nosy dia notanterahina ny 06 may 2025, teny Ankatso, ny famindram-pitantanana teo amin’ny filohan'ny Oniversiten'Antananarivo teo aloha, Pr RAVELOMANANA Mamy sy ny Filoha vaovao voafidy, Pr Titulaire RANDRIANASOLO Rivoarison.
Nankasitraka ny Filohan'ny Oniversite teo aloha tamin'ireo fampandrosoana vita rehetra ny Filoha vaovao. Mandroso hatrany no filamatra hoy izy ary hotohizana ny lalana izay nety sy nahasoa. Tombontsoa ambony sy iombonana no jerena ary tsy hisy fanavahana hoy izy raha nanainga ireo mpiara-miasa hiray hina sy hifanome tanana ho fampandrosoana ny Oniversite.
Tetsy ankilany, nisaotra ireo mpiara-miasa taminy nandritra ny enin-taona nitantanany ny Filoha teo aloha ka nahatonga ny Oniversiten'Antananarivo ho Oniversite filamatra eto Madagasikara. Nirary fahombiazana ho an'ny Filoha vaovao ny tenany mba ho voninahitra ho an'ny fampianarana ambony.
Nisolo tena ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla, nanatanteraka ny famindram-pitantanana ny Sekretera Jeneralin'ny Ministera, Pr SALAVA Julien, notronin'ireo Tale isan-tsokajiny eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ireo Sojabe sy Lehiben'ny Sampam-pianarana samihafa, ireo mpampianatra mpikaroka ary ireo mpandraharaha.