Tombony lehibe ho an'i Madagasikara ny mampiantrano ny fihaonamben’ny Mpitondra Fanjakana anatin’ny vondrona SADC hotanterahina amin'ny volana aogositra 2025.

Ao anatin'izany dia hisy ny famelabelaran-kevitra « Conférence Publique » hatao eny amin’ny Anjerimanontolo Ankatso iandraiketan'ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa.

Ny 22 May 2025, nidina ifotony teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo ny ekipan’ny MESUPRES notarihin’i Dr BEHAJA Alan Basile, Tale Jeneralin’ny Fampianarana Ambony, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra avy amin’ny Oniversite, nahitana ny mpandrindra ankapobeny, Pr ANDRIAMBININTSOA Ranaivoson Tojonirina.