Tanjon’ny fitondram-panjakana ankehitriny izay tarihin’ny Filoha Andry RAJOELINA ny fanatsarana ny vokatry ny fambolena sy fiompiana sy hametraka ny fahavitan-tena ara-tsakafo.
Mifandray amin’izany indrindra ny tetikasa KAFACI (Food and Agriculture Cooperation Initiative), izay tanterahin’ireo mpikaroka ao amin’ny FOFIFA (Foibem-pirenena momba ny Fikarohana Ampiharina amin’ny Fampandrosoana ny eny Ambanivohitra). Tohanan' i Korea Atsimo ity tetikasa ity ho fanatsarana ny voka-bary eto Madagasikara, ary efa nanomboka ny taona 2022. Tanjona ny hisafidianana ireo karazam-bary manana kalitao ambony amin’ny fahavokarana ary hanamafisana ihany koa ny fahaiza-manaon’ireo mpikaroka.
Notanterahina tao Kianjasoa, Faritra Bongolava ny atrik’asa iarahana amin’ny Tetik’asa KAFACI ny 25 marsa 2025. Tonga nanatrika izany, nisolotena ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa ny Tale Jeneralin’ny FOFIFA, Pr LEON POCK TSY Jean Michel.
Nanamafy ny tenany fa miezaka hatrany ny FOFIFA, izay Ivon-toeram-pikarohana eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, amin’ny fitadiavana masomboly voafantina izay ahafahan’ny tantsaha mampiroborobo ny vokatra amin’ny alalan’ny vokam-pikarohana, manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro.
Anisan’ny vaindohan-draharahan’ny sampana Fikarohana ara-Tsiansa ato amin’ny Ministera ny fiaraha-mientana hisian’ny haivaom- pikarohana azo ampiharina avy hatrany eny ifotony.