Lohahevitra maro no noresahin’Andriamatoa Filoham-pirenena, Andry RAJOELINA tao anatin’ny fandaharana manokana notontosaina ny 04 mey 2025 tao amin’ny fahitalavitra.

Nasongadiny fa isan’ny tombontsoa azo nandritra ny fitsidihana ara-panjakana nataon’ny Filoha Frantsay teto Madagasikara ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny Fampianarana Ambony.

Anisan’ny tetikasa nambaran’ny Filohan’ny Repoblika ny fananganana oniversite lehibe eto Madagasikara, hanatsarana sy hampiakatra ny lentan’ny fampianarana ambony.