Ho tanterahina ny 10 Jona ka hatramin'ny 20 Jona ho avy izao ny adina ara-panatanjahantena ho an'Antananarivo Renivohitra, Atsimondrano, Avaradrano ary Ambohidratrimo.
Ho an'ny taranja lomano manokana dia naroso izany ho fitsinjovana manokana ny mpiadina amin'ny taranja lomano amin’ny vanim-potoanan’ny ririnina. Ity taranja ity araka izany no nisantarana ny adina ara-panatanjahantena ny 24 may 2025 tao amin’ny « piscine olympique » ao amin’ny ANS Ampefiloha.
Nitso-drano sy nirary soa ireo mpiadina teny an-toerana ny solotena avy ao amin’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa notarihin'ny Tale Jeneralin’ny Fampianarana Ambony, Dr BEHAJA Alan Basile. Nampatsiahiviny fa taranja tsy maintsy atao ny EPS ary mitarika tsy fahafahana avy hatrany amin'ny fanadinana bakalorea ny tsy fanatanterahana izany.
Mpianatra 278 no nisafidy ny taranja lomano ahitana ny sokajy rehetra raha manodidina ny 80000 ireo mpiadina ara-panatanjahan-tena.
Nizotra am-pilaminana ny fanadinana ary feno ireo fepetra manodidina ny fiarovana ireo mpiadina nandritra ny fanadinana.