« 𝑁𝑦 𝑓𝑎𝑚𝑝𝑎𝑛𝑑𝑟𝑜𝑠𝑜𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑂𝑛𝑖𝑣𝑒𝑟𝑠𝑖𝑡𝑒 𝑑𝑖𝑎 𝑡𝑠𝑦 ℎ𝑜 𝑣𝑖𝑡𝑎𝑛’𝑛𝑦 𝑀𝑖𝑛𝑖𝑠𝑡𝑒𝑟𝑎 𝑖𝑟𝑒𝑟𝑦, 𝑡𝑠𝑦 ℎ𝑜 𝑣𝑖𝑡𝑎𝑛’𝑛𝑦 𝐹𝑖𝑙𝑜ℎ𝑎𝑛’𝑛𝑦 𝑂𝑛𝑖𝑣𝑒𝑟𝑠𝑖𝑡𝑒 𝑖𝑟𝑒𝑟𝑦 𝑓𝑎 𝑖𝑠𝑖𝑘𝑎 𝑚𝑖𝑎𝑟𝑎𝑘𝑎 𝑛𝑜 ℎ𝑎𝑚𝑝𝑎𝑛𝑑𝑟𝑜𝑠𝑜 𝑛𝑦 𝑂𝑛𝑖𝑣𝑒𝑟𝑠𝑖𝑡𝑒 𝑡𝑠𝑖𝑟𝑎𝑖𝑟𝑎𝑦 𝑎𝑣𝑦 » hoy ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla, nandritra ny fihaonany tamin’ireo « Chef de Mention » tao amin’ny Oniversiten’i Maninday,Toliara, ny 16 May 2025.
Nanamafy ny Minisitra fa mila fiaraha-miasa sy andraikitra avy amin’ny rehetra ny fampandrosoana ny Oniversite, indrindra fa ireo Lehiben’ny Mention izay tompon’andraikitra akaiky indrindra ny mpianatra. Nasongadiny fa ilaina ny fifandraisana tsara eo amin’ny Parcours, Mention, Filohan’ny Oniversite ary ny Ministera mba hahafahana miasa haingana sy mahomby.
Nomarihiny fa mitohy tsara ny fifandraisan’ny Filohan’ny Oniversiten’i Toliara sy ny Ministera ka tokony ho toy izany avokoa ny rehetra na dia nisy aza ny safidy samihafa tamin’ny fifidianana, dia ny fampandrosoana ny Oniversite no tokony ifantohan’ny rehetra.
Nihaino ireo sehatra sy olana tokony ifanampiana ny tenany,ary nanolotra sosokevitra ho fanatsarana ny Oniversite hatrany.