Tafiditra ao anaty vinam-pampandrosoan’Andriamatoa Filoham-pirenena, Andry RAJOELINA ny fanaovana tetik'asa maromaro ao Nosy Be.
Isan'izany ny fanatsarana ny Ivon-toeram-pikarohana momba ny ranomasina ( Centre National de Recherches Océanographiques, CNRO) ka izany no anton-dian'ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla, tany Nosy Be, ny 21 febroary 2025.
Fampandrosoana sy fampivoarana ary fanatsarana ity ivon-toerana eo ambany fiahian'ny MESUPRES ity no tanjon'izao fidinana ifotony izao. Nihaona tamin'ireo mpiara-miasa sy mpisehatra ao an-toerana ny Minisitra ka teboka maro no nivoitra nandritra ny fifanakalozana. Nihaino ireo zava-misy nambaran'ireo mpikaroka sy ny PAT ary ireo mpiasa teo aloha misotro ronono ny tenany ka nandroso vahaolana maika sy lavitr'ezaka.
Ankoatra ny asa fikarohana dia ilaina fampahafantarana ireo voka-pikarohana, ka mampihatra sy mampifandray izany amin'ny sehatra hafa, toy ny fizahan-tany.
Tamin’ny taona 1954 dia nitondra ny anarana ORTSOM ny CNRO ary ny taona 1977 no nisalotra io anarany ankehitriny io. Izy no hany toeram-pikarohana misahana ny fikarohana manodidina ny ranomasina eto Madagasikara. Ahitana "Laboratoire" sy "Musée" ary "Bibliothèque" ao an-toerana.