Tsy nikely soroka na dia alahady aza ny andro fa tonga tao amin’ny Sekoly Ambony Politeknikan’Antananarivo ao Vontovorona, Ramatoa Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla ny 18 may 2025.

Nihaona sy nihaino mivantana ny maharary an’ireto mpianatra ka nandritra izany dia naneho fahavononana hiara-hitady vahaolana hanatsarana ny tontolon’ny Fampianarana Ambony ny roa tonta.

Naneho fisaorana sy fankasitrahana manokana noho ny fahatongavan’ny Minisitra sy ny fihainony mivantana ny feon’izy ireo ny solotenan’ny mpianatra, notarihin’Andriamatoa MANDA Heriniaina, Filoha lefitry ny Fikambanan’ny Mpianatra Politeknika Antananarivo (FMPA).

Fotoana fohy, saingy nanan-kery sy nisy lanjany ho an’ny rehetra.