Tafiditra ao anatin’ny Politika Ankapoben'ny Fanjakana amin'ny fanatsarana ny kalitaon'ny fampianarana ambony ny fanatsarana fotodrafitrasa.

Tsy niandry ela, taorian’ny fitsidihan-dRamatoa Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla ny Sekoly Ambony Politeknikan’Antananarivo (ESPA) ao Vontovorona ny 18 may 2025 dia miroso avy hatrany amin’ny asa fanamboarana ireo trano fidiovana ao amin’ireo trano fonenan’ny mpianatra sy ny trano fonenan’ny mpianatra vaovao R+1 ny MESUPRES, ny 19 may 2025. Nitsidika ny fizotran' ny asa teny an-toerana ny Talen'ny CROU-A, Andriamatoa MAMISOA Aina.

Marihina fa tafiditra ao anaty fandaharan’asam-panjakana ihany koa ny fanatsarana ny famatsian-drano. Misy ihany koa ny fiaraha-miasa amin'ny Kaominina amin'ny fitaterana ireo fako ao an-toerana. Mahakasika ny fandriampahalemana eny anivon'ny trano fonenan’ny mpianatra kosa dia hohamafisina amin'ny alalan'ny fifandaminana miaraka amin’ny mpianatra izany.