Ny Ivon-toeram-pikarohana Nasionaly momba ny Siansa sy ny Teknika Nokleary (INSTN) dia ivon-toeram-pikarohana eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-siansa. Manana andraikitra lehibe amin’ny fanomezana vahaolana ara-tsiansa ho an’ny fanjakana sy ny fiaraha-monina izy amin’ny alalan’ny famokarana "vinavina" sy porofo siantifika ahafahana mandray fepetra hentitra sy ara-potoana. Fikarohana sy voka-pikarohana ilaina sy mipaka amin’ny fiainana andavanadro no imasoany.
Araka ny fanazavan'i Pr RAJAOBELISON Joël, Tale Jeneralin’ny INSTN, ny 07 may 2025, dia mandrakotra sehatra maro ny fikarohana ataon’ity ivon-toerana ity, toy ny fanaraha-maso ny kalitaon’ny tontolo iainana, fikarohana momba ny rano ambany sy ambonin’ny tany, fanaraha-maso ny fahasimban’ny nofontany (érosion), ary fanaraha-maso ny fahadiovan’ny sakafo andavanandro.
Tamin’ny tranga nahafatesana mpiasan’ny APIPA miisa efatra tao anaty fantsona fandehanan’ny rano maloto teny amin’ny 67Ha, dia niditra an-tsehatra avy hatrany ny INSTN. Ny fanadihadiana siantifika no nahafantarana ny tena antony nahatonga ny loza. Nanao fandrefesana sy fandalinana teny an-toerana ny mpikaroka, ka hita fa "monoxyde de carbone" sy "dioxyde de soufre" no nampidi-doza an’ireo mpiasa ireo.
Araka ny fanazavan'i Dr ANDRIAMAHENINA Njaka Namelantsoa, Mpikaroka ao amin’ny INSTN, dia nisy karazana fako sy rano maloto nihiboka tao amin’ilay toerana, izay niteraka fiforonana sy fitobiana entona na gaz mampidi-doza. Io no nanamafy ny "vinavina" navoakan’ny INSTN. Rehefa nanao fanadiovana ny rivotra « décontamination » ny BNGRC sy APIPA, dia nihena be ny tahan’ny entona tao anatin’ny toerana, ka nanamarina ny vokatry ny fikarohana.