Tsy nandeha araka ny tokony ho izy ny tambajotran’ny IRENALA tao anatin’ny fotoana maro ka nisy fiantraikany ratsy tamin’ny fizarana loharanom-pahalalana sy ny fifandraisana teo amin’ny sehatry ny oniversite sy ny fikarohana. Ho famaliana izany olana izany, dia napetraka ny tetikasa hanamafisana ny IRENALA, tafiditra ao anatin’ny tetikasa DECIM vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola izay sitrahan’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES) amin’ny alalan’ny fanovàna ny CNTEMAD ho Oniversite Nomerika sy ny fanamafisana ny tambajotran’ny IRENALA.
Natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny 27 may 2025 tao Ampefiloha ny tetikasa hanamafisana ny tambajotran’ny IRENALA. Tanjona amin’ity tetikasa ity ny hanatsarana ny tambajotra sy ny fotodrafitrasa ara-nomerika ho an’ny oniversite sy ny foibem-pikarohana eto Madagasikara. Mikendry ihany koa ny hanamafy ny fitantanana sy ny fahaiza-manao ara-teknika ao amin’ny IRENALA, mba hanomezana tolotra mifanaraka amin’ny filàn’ny fampianarana ambony.
Nandray anjara tamin’ity fanombohana ofisialy ny tetikasa ity ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES), notarihin’ny Talen’ny antotan’isa, ny rafitra fampahalalana ary fandrindrana (DSSIP), Dr JAONARY Josa Augustina, ny Ministeran’ny Haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra (MNDPT), ny Banky Iraisam-pirenena, ny DECIM, ny IRENALA ary ireo mpiara-miombon’antoka, ho mariky ny fiaraha-mientana amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana amin’ny alalan’ny teknolojia.