Anatin'ny vinan’ny Filoham-pirenena, Andry RAJOELINA ny fampivoarana ny famokarana «transformation agricole».
Ao anatin’izany dia namoaka ny vokatra avy amin’ny «dP SPAD» (rafi-pamokarana maharitra eny amin’ny faritra avo eto Madagasikara) ny Foibem-pikarohana Ampiharina amin’ny Fampandrosoana Ambanivohitra (FOFIFA), ny 27 May 2025 tao amin’ny Résidence Ankerana.
Isan’ireo voka-pikarohana nampirantiana :
- Ireo karazam-bary an-tanety ahafahana manitatra ny velaran-tany azo volena ;
- ny fiompiana trondro eny an-tanimbary, hanatsarana ny fidirambolan’ny tantsaha sy ny fahavitan-tena ary ny fanjarian-tsakafo ;
- ny fikarohana momba ny masomboly voamarina eto Madagasikara sy any amin’ny Ranomasimbe Indianina, hampitomboana ny vokatra sy mahazaka ny fiovaovan’ny toetrandro ;
- ny fampiasana ny kankana sy ny zezika azo avy amin’ny kankana hampihenana ny fahasimban’ny tany ;
- ny fampahafantarana ireo bibikely sy ny aretina mpanimba ny voly ary ny fomba iadiana amin’izy ireo ara-pomba manaja ny rindran-damina ara-boajanahary, mba hanamafisana ny rafi-pamokarana.
Mpikaroka manodidina ny 60 avy amin’ny AfricaRice, FOFIFA, Fifamanor, GSDM, Oniversiten’Antananarivo, CIRAD sy IRD no miantsehatra ao anatin’ity tetikasa ity.
Nisolotena ny Minisitra, Pr CHAMINAH Loulla nandritra ny hetsika, ny Tale Jeneralin’ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr Hery Lisy Tiana RANARIJAONA, notronon’ny Tale Jeneralin’ny FOFIFA, Pr Jean Michel LEONG POCK TSY sy ireo solontenan’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ireo mpiara-miombon’antoka maro.