Taorian’ny tao Toliara, notanterahina tao Nosy Be, Faritra Diana indray ny Filan-kevitry ny Minisitra izay manakaiky hatrany ireo vondrom-bahoaka ifotony notarihin’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA niaraka amin’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta ka isany nanatrika izany ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla, ny 22 may 2025.
Tapaka nandritra izany ny :
- Fananganana « aquarium marin » ao Nosy Be izay tetikasan’ny Ivon-toerana nasionaly momba ny fikarohana momba ny tontolo an-dranomasina (CNRO) ;
- Fanokafana ny Oniversiten’i Nosy Be, Hell-Ville. Hisokatra amin’ny taom-pianarana 2025-2026 ;
- Tetikasa fanovana ireo vokatra an-dranomasina ho tohana ara-tsakafo (complément alimentaire) iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, volavolain’ny CNRO.