Trano fonenana manara-penitra hoan’ny mpianatry ny Oniversiten’i Menabe
Anisan’ireo Faritra misitraka ireo tetikasa fampiroboroboana ny tontolon’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa i Menabe, araky ny velirano nataon’i Filohan’ny Repoblika (velirano faha-4).
Ankehitriny dia vita soa aman-tsara ny trano fonenana hoan’ny mpianatra ao amin’ny kaominina Bemanonga, ao Morondava.
Trano manara-penitra misy rihana mahazaka mpianatra hatrany amin’ny 300.



"Mariky ny fanohanana ny mpianatra mba hirosoany amin’ny fahombiazana sy ny tsaratsara kokoa hatrany amin’ny fianarana sy ny tanjona irian’izy ireo izao fanomezana izao", hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tamin’ny fandraisam-pitenenany.



"Tato anatin’ny roa taona dia16 izao ny fotodrafitrasa mitovy amin’izao nataon’ny Fitondrana. Kendrena mba hahazo ny Faritra izay mbola tsy nisitraka, hoy ny Pr ASSOUMACOU Elia Béatrice, Minisitry ny Fampianarna Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa nandritra ny fandraisam-pitenenany. Nanafatrafatra ireo mpianatra Ramatoa Minisitra amin’ny tokony hanajan’izy ireo ity fotodrafitrasa vaovao ity. "Ny fikajiana sy fikolokoloanareo azy ity no valim-pitia angatahana aminareo satria ny tsy manana sy tsy manaja dia mitovy ihany ", hoy izy.



Miisa199 ny mpianatra nisoratra anarana ao amin’ny IESM tamin’ity taom-pianarana ity izay manaraka sampana roa : "Agronomie " ary "Technique de l’Environnement et Écotourisme".


 |