𝐅𝐢𝐡𝐚𝐨𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐡𝐚𝐤𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐳𝐚𝐤𝐚𝐧-𝐭𝐞𝐧𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐨𝐧𝐢𝐯𝐞𝐫𝐬𝐢𝐭𝐞 𝐬𝐲 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐬𝐞𝐤𝐨𝐥𝐲 𝐚𝐦𝐛𝐨𝐧𝐲 𝐚𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐢𝐯𝐨𝐭𝐨𝐞𝐫𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐤𝐚𝐫𝐨𝐡𝐚𝐧𝐚.
Ho fitadiavam-bahaolana manoloana ny tsy fitoviam-pijery momba ilay lalàna laharana 028-2021 mahakasika ny "autonomie des Universités, des Etablissements de l’Enseignement Supérieur et de la Recherche Scientifique ", dia nisy ny fihaonana izay niarahan’ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr ASSOUMACOU Elia Béatrice tamin’ireo birao nasionaly sy biraon’ny sampana avy ao amin’ny seces ny 24 may 2022.



Nivoitra tamin’izany ny hevitra ny amin’ny hamerenana indray ny dinika momba io lalàna io sy ny handrosoana azy ho tolo-dalàna vaovao indray eo anivon’ny parlemanta ary ny vahaolana hisian’ny fitoniana.
Tao aorian’izany dia nisy ny fifanakalozam-baovao mahakasika ny antotan-taratasy momba mpampianatra ary ireo teboka madinidinika amin’ireo oniversite tsirairay manerana ny Nosy.À |