Voin-kava-mahatratra, tolo-tanana hoan’ireo tra-boina noho ny rivo-doza :
Namaly ny antson’ ny Filoham-pirenena ho amin’ny fifanampiana ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa.
“Amin’izao voina mahazo ny mpiara-belona izao dia mitondra ny voatsirambin’ny tanana ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa hoan’ ireo tsy manan-kialofana vokatry ny fiakaran’ny rano noho ny rivo-doza nandalo teto amintsika. Ity hetsika ity dia natao amin’ny alalan’ ny firaha-mientana amin’ny ministeran’ ny mponina izay miahy ireo tra-boina ireo, ary indrindra indrindra hanehoana hatrany fa miara-miasa ny governemanta rehetra manohana ny ezaka lehibe ataon’ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra lehiben’ny gouvernemanta” .

Manoloana izany, dia nanolotra kidoro 100 isa, bodofotsy 1200 isa ary paty 2500 isa ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa ny Pr ASSOUMACOU Elia Béatrice sy ireo delegasiona notarihiny avy ao anivon’ny ministera, ny alatsinainy 24 janoary 2022, teo amin’ny Kianja Barea, Mahamasina.


Nandray am-pitiavana ireo fanomezana ireo ny Minisitry ny Mponina Ramatoa SOAFILIRA Princia ary nisaotra sy nankasitraka ny Minisitry ny Fampianarana Ambony taminy tolo-tanana nataony. Nanao antso avo amin’ireo malala-tanana sy ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta ihany koa izy mba ho tonga maro hitondra fanampiana ho an’ireo traboina.

 |