Toeram-ponenan’ny mpianatra
4 décembre 2021
5 décembre 2021

Toeram-ponenan’ny mpianatra

Hahazaka mpianatra eo amin’ny 300 eo ny trano fonenana na "dortoirs " ho an ‘ Ankatso 1 sy 2.
Nanatanteraka fitsidihana teny amin’ny cité ny mpianatra ny minisitra Pr ASSOUMACOU Elia Béatrice, omaly 4 desambra 2021. Nijery ny fandrosoan’ ireo asa mikasika ny fanamboarana dortoir vaovao teny an-toerana.

Misy ihany koa ny fanamboarana ny bloc amical 2 izay may teo aloha.
Ity fitsidihiana ity no natao dia mba hanaraha- maso ny fandrosoan’ny asa satria efa betsaka ny filàna.
Nambaran’ireo orinasa mpanao ny asa moa fa ho tanterahana alohan’ny faran’ny taona ny “réception technique”.
Izany dia ezaka ataon’ny fitondrana izay mamaly ny filan’ny mpianatra. Mijery ny sosialin’ ny mpianatra izay vahoaka ihany koa mialoha ny maha mpianatra azy ny ministera.

Fitantanana ny trano
Tsy tokony hisy ary tsy azo ekana ny fivarotana ny trano satria ny trano dia an’ny fanjakana ary ny CROUA (Centre regional des oeuvres universitaires à Antananarivo) ihany no mitantana sy mitsinjara izany.
Mba hisian’ny mangarahara amin’ny hitsinjarana ny trano dia misy solontenan’ ireo mpianatra ao anatin’ny commission mba hanampy sy hanamora amin’ny fitsinjarana fa ny administration ihany no manatanteraka ny asa.

Mitsinjo mandrakariva ny hisian’ny filaminana ny ministera.

Ankatso-AntananarivoAnkatso-AntananarivoAnkatso-AntananarivoAnkatso-Antananarivo
Revenir    AccueilAccueil du site