Tantsoroka Covid19_Université Antsiranana
10 décembre 2020
8 Décembre 2020

Manoloana ny fivoaran’ny valanaretina coronavirus ao amin’ny oniversiten’Antsiranana dia tsy nitazam-potsiny ireo tompon’andraikitra eto anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa fa nandray fanapahan-kevitra amin’ny fanampiana sy famatsiana ireo mpianatra.

Vary 10 gony amin’ny 50 kilao, siramamy 5 gony amin’ny 50 kilao, savony 10 baoritra, menaka 100 litatra, gel 10 litatra, virokil 25 litatra, fitaovana fanasana tanana 10 no natolotry ny Minisitra Pr ASSOUMACOU Elia Béatrice. Ankoatra ireo dia nisy ihany koa ny vatsy natolotra azy ireo.

Efa nisy ny fanapahan-kevitra noraisin’ny tompon’andraikitra any an-toerana mba hisorohana amin’ny fiparitahan’ny Covid-19.

Andraikitry ny tsirairay kosa ny miaro ny tenany sy miaro ny hafa.

#StopCovid_19
#MesupresCommunique

ANTSIRANANAANTSIRANANA
Revenir    AccueilAccueil du site