SEKOLY AMBONY POLITEKNIKA VONTOVORONA, #MESUPRES-#MEH
4 février 2022
04 février 2022

SEKOLY AMBONY POLITEKNIKA VONTOVORONA, #MESUPRES-#MEH

✅« CENTRAL AUTONOME » :vahaolana maharitra amin’ny famatsiana herinaratra.
👉 Hiroso ny fametrahana ity « CENTRAL AUTONOME » hiaraha-mientana amin’ny mpianatra sy mpampianatra ao amin’ny politeknika ary ny JIRAMA ity izay eo ambany fiahian’ny Ministera roa tonta .

👉 Nisy ny dinikasa natao teny an-toerana notarihin’i Pr. ASSOUMACOU Elia Béatrice, Ministry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa sy Atoa RAMAROSON Andry Heriniaina, Minisitry Angovo sy Akoranafo namariparitana ny fomba hanatanterahana ny asa .

📌Ankoatra ny famahana ny olan’ny fahatapatapan’ny herinaratra dia hahazo tombony manokana ny mpianatra, satria afaka miroso avy hatrany amin’ny fampiharana ireo taranja maro ianarany mba hitondra fampandrosoana maharitra amin’ny toerana misy azy ankehitriny sy amin’ny hoavin’ny firenena.

👉Taorian’ny latabatra boribory niaraha-nidinika ny hanatanterahana ity tetikasa « CENTRAL AUTONOME » ity dia nisy ny fifanatrehana mivantana tamin’ny mpianatra izay tonga marobe nanatrika ireto minisitra ireto, nahafahana nifanakalo vaovao mahakasika ny fiaimpiainan’ny mpianatra eny.

VontovoronaVontovoronaVontovoronaVontovoronaVontovoronaVontovoronaVontovoronaVontovorona
Revenir    AccueilAccueil du site