ONIVERSITE MANARA-PENITRA ANALANJIROFO : 90 %n’ny asa no efa vita
Nitsidika ny Oniversite Analanjirofo ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA androany nandritra ny fandalovany tamin’iny faritra iny.Tetikasan’ny Filohan’ny Repoblika rahateo ny fananganana Oniversite manara-penitra toy ity naorina eto Fenerive-Est ity, izay sady ahitàna toeram-pampianarana “campus” no misy toeram-ponenan’ny mpianatra “dortoir” ihany koa.



Nambaran’ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA fa hojerena akaiky ny lalampiofanana hanabeazana ny mpianatra mba hifanaraka amin’ny filàn’ny fampandrosoana ny faritra.



Nohamafisiny fa isan’ny hahazo mpampianatra avy any amin’ny Oniversite lehibe any ivelany ny Oniversite Analanjirofo, mba hahafahana mampiakatra ny haavom-pahalalan’ny Mpianatra. Niara-dia taminy nandritra ity fitsidihana ity ny Minisitry ny Fampianarana Ambony syn y Fikarohana Ara-tsiansa, Pr ASSOUMACOU Elia Béatrice.


 |