Ministeran’ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana (...)
1er février 2022
01 février 2022

Ministeran’ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa
ATAO ISAKY NY 15 ANDRO NY RODOBE FANADIOVANA NY TOERAM-PIASANA

👉Taorian’ny fanadiovana ny valan-javaboary Tsimbazaza dia nitohy androany voalohan’ny volana febroary 2022 teto amin’ny ministera foibe ny fanadiovana. Niara-nientana ny mpiasa rehetra isaky ny fitaleavana(directions) sy ny sampandraharaha(services) nanala ny lobolobo sy ny fakofako navelan’ny riaka nandritra ny andro ratsy nandalo teto amintsika ary nanao lakan-drano tsotsotra ho fikorianan’ny rano.
Nanampy ny ministera tamin’ny fanadiovana ny manodidina ny birao sasantsasany ny avy ao amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra.

✅Natao izao hetsika izao mba hikolokoloana ny fotodrafitrasa sy ny toeram-piasana indrindra amin’izao fotoam-pahavaratra izao.

✅Mbola hitohy amin’ireo ivon-toeram-pikarohana sy ireo toeram-piasana hafa iandraiketan’ny ministera ity rodobe fanadioavana ity.

👉Nitarika ity hetsika ity ny Profesora ASSOUMACOU Elia Béatrice, minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa.

Mesupres-TsimbazazaMesupres-TsimbazazaMesupres-TsimbazazaMesupres-TsimbazazaMesupres-TsimbazazaMesupres-Tsimbazaza
Revenir    AccueilAccueil du site