Logements Universitaires - Université de proximité
30 novembre 2020
28 Novembre 2020

Trano fonenan’ny mpianatra miisa 9 no hahorina ho fanamaivanana ny olan’ny oniversite manerana ny Nosy. Raha tsiahivina manko dia tany amin’ny fotoanan’ny Tetezamita no nisy ny fananganana fotodrafitr’asa handraisana sy honenan’ny mpianatra farany teto Madagasikara. Dia tsy inona izany fa ireny trano fonenan’ny mpianatra antsoina hoe R+3 ireny.

Najoron’ny Filoha Andry RAJOELINA ireny.
Ankehitriny dia manohy ny ezaka efa nataony ny Fitondram-panjakana amin’ny fanatanterahana ny tetik’asa fanorenana trano fonenan’ny mpianatra miisa 9 izay mitsinjara toy izao : iray any Mahajanga, iray any Antsiranana, roa any Antananarivo, iray any Toliara, iray any Morondava, iray any Fenerive Est, iray any Soavinandriana ary iray any Antsirabe.
Raha ny fizotry ny fanatanterahana ny tetik’asa no asian-teny dia efa vita ny fitsidihina ireo toerana hanaovana ny fotodrafitr’asa ary efa voasivana sy voafidy ireo orinasa hanatanteraka izany.

Mahatsapa sy mahafantatra ny zava-misy eny amin’ny "Campus Universitaire" ny Ministera Mpiahy. Ny Minisitra ankehitriny rahateo dia maintimolalin’ny "cité Ankatso I" ka mahafantatra tsara ny andavanandron’ny mpianatra eny anivon’ny "Cité Universitaire" eny. Izany no nahatonga ny ministera hanao vaindohan-draharaha ireto fanorenana miisa 9 ireto izay efa miroso tsikelikely amin’ny dingana rehetra ahafahana manomboka ny asa avy hatrany.
Marihina fa mizotra amin’ny antsakany sy andavany ihany koa ny fanamboarana ireo Campus Universitaires 3 (Antsirabe, Soavinandriana ary Fenerive-Est). Raha ny vinavina dia ho tokanana amin’ny volana desambra ho avy izao ireto fotodrafitr’asa ireto.
Ankoatr’izay, hisitraka Campus Universitaire ihany koa Antalaha, Maintirano, Tolagnaro ary Antsohihy.
#Cité_mpianatra
#logements_universitaires
#université_de_proximité
#MesupresCommunique

MESUPRESMESUPRESMESUPRESMESUPRESMESUPRES
Revenir    AccueilAccueil du site
slot slot gacor link slot gacor slot777 slot gacor slot gacor slot slot88 slot online bet88 judi bola bet88 https://ppid.idu.ac.id/produk/sepuh77/ https://journalng.uwks.ac.id/file/trend/ https://2021.kinerja.ekon.go.id/halal/bet88 https://pariwisata.darmajaya.ac.id/wp-content/themes/ http://bpbd.karangasemkab.go.id/amp/ bet88 bet88 bet88