Institut des Langues et de Civilisations (ILC) Oniversite (...)
13 décembre 2021
10 décembre 2021

Institut des Langues et de Civilisations (ILC) Oniversite Mahajanga
Nankalaza ny faha-10 taona
.

10 taona ny « Institut de Langues et Civilisations (ILC) », ivon-toeram-pampianarana iray eo anivon’ny Oniversiten’ny Mahajanga.Tonga niatrika ity fankalazana ity ny Pr ASSOUMACOU Elia Béatrice, Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, izy rahateo dia tale mpanorina ny ILC. Nandritra ny lahateny nataony no nilazany fa « Nanana tanjona sy tetikasa maro izy ireo mba hanatsarana hatrany ity toeram-pianarana ity . Fanamby tamin’izany ny hoe hanganana « bâtiment » iray isaky ny manda.

Azo ambara fa tsara ny vokatra azon’ ny "Institut des Langues et de Civilisations" tao anatin’izay 10 taona izay : efa namoaka minisitra 2, Tale Jeneraly 1 ary tale 3, Profesora 3. Teny filamatra nosafidina ny hoe « connaître les racines pour avoir des ailes ».

Amin’ny izao fotoana 2021 izao dia manana " mentions" 6 ity ivon-toeram-pampianarana ambony ity Dia ny « sociologie", "études françaises ", "communication", "philosophie", "anthropologie", "psychologie". Efa Tonga hatrany amin’ny dingana "licence" sy "master" ireo "niveau 6" ireo. Tamin’ity taona faha-10 nisiany ity ihany koa no napetraka ny « école supérieure en éducation, en leadership et administration scolaire » izay " formation en ligne" ary" niveau master" izay ahitana "parcours" roa : "Master en leadership scolaire et administration scolaire", sy ny master en leadership et gestion des établissements scolaires". Teraka ihany koa ny "équipe d’accueil doctoral"na ny "EAD en Sciences sociales et Sciences humaines".

Nanao ny fampitaovana ity trano fianarana vaovao ny ILC ity ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa tamin’ny alalan’ny ministra, ny Pr ASSOUMACOU Elia Béatrice, toy ny latabatra sy seza, tableau, étagère, imprimante, sy ny maro tsy voatanisa, nanolotra solosaina kosa ny Filoha Lefitry ny Antenimieram-pirenena, izay solombavambahoaka voafidy tao Mahajanga.
Marihina fa nohararaotina notokanana taorian’ny lanonam-pankalazana ny faha-10 taonan’ny ILC ity ny "Amphithéâtre" an’ i Institut Universitaire de Gestion et de Management mahazaka Mpianatra 600.

MAHAJANGAMAHAJANGAMAHAJANGAMAHAJANGAMAHAJANGA
Revenir    AccueilAccueil du site