🔸Notokanana ny 18 febroary 2022 ny ivon-toeram-piofanana Luban. Toeram-piofanana momba ny herinaratra indostrialy sy ny fikojakojana ny fiarakodia, ao amin’ny faritry ny Sekoly Polytechnique Vontovorona. Nisolotena ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa Pr ASSOUMACOU Elia Béatrice, izay tsy eto an-toerana noho ny fidinana ifotony, nitokana izany ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny fananan-tany Hajo Andrianainarivelo.

🔸Izao fotodrafitrasa izao no tanteraka dia vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana Malagasy amin’ny alalan’ny Oniversiten’Antananarivo sy ny Repoblika Entim-bahoakan’i Sina amin’ny alalan’ny Sekoly Mekanika arak’asa ao Tianjin sy ny sekolin’ny herinaratra sy ny milina ary ny indostrian’ny herinaratra Tianjin.

🔸Tanjona amin’ny fametrahana ity ivon-toeram-piofanana ity ny hahazoan’ny tanora malagasy fahaiza-manao sy fahaizana ara-teknika.
Ankoatra izay dia mikendry ny hanofana injeniera sy teknisianina eo an-toerana afaka mitondra anjara biriky amin’ny fampandrosoana ny firenena, indrindra eo amin’ny sehatry ny indostria ny ivon-toerana.

✅Tsara ny manamarika fa ny fiara izay fitaovana ilaina amin’ny fampiofanana azo ampiharana mekanika dia nomen’ny Tianjin Vocational College of Mechanics and Electricity, ary ny fitaovana ilaina amin’ny fiofanana momba ny herinaratra indostrialy kosa dia avy amin’ny Tianjin Machinery & Electric Industry School.
 |