Fifanomezan-tanana teny amin’ny " Faculté des Sciences" Ankatso
Ankoatra ny fandaminana ireo mpianatra, dia nanohy ny asa rehetra ary manolo-tanana ny Ministera. Tsy teo anivon’ny Oniversite Ambohitsaina ihany fa manerana ireo Oniversite samihafa ny teknisiana maro avy amin’ny MESUPRES mba hanampy ireo "scolarité" sy ny EDUTIC amin’ny fandrafetana ny lisitra.


Ny antony dia hanampy ny " scolarité " eny anivon’ny "Faculté " mba hanafaingana ny fahafafahan’ny mpianatra misitraka ny vatsim-pianarana.
Tsara marihina fa ny ministera dia manara-maso akaiky ny fizotran’ny asa ary manome tanana ny oniversite rehetra mandritra ny dingana rehetra atao amin’ny digitalisation. Ny Paositra sy ny eo anivon’ny Oniversite tsirairay kosa no mamoaka ny tetiandron’ny fandraisana vatsim-pianarana araka ny rindran-damina apetrany.

Miantso ny mpianatra hatrany hanatona ny tompon’andraikitra rehefa misy ny olana mba hanamorana sy hanafainganana ny famahana azy ao anaty filaminana. |