Fidinana ifotony tany Ambato Boeny sy Farafangana.
18 février 2022
18 Février 2022

📋Fidinana ifotony tany Ambato Boeny sy Farafangana.

👉Tonga nanolotra vary, menaka, savony hoan´ny be-antitra sy traboina avy amin’ny kaominina telo isany voadonan’ ny rivodoza tao amin’ny distrikan’ny Ambato Boeny ny Minisitra Coach Boeny, Pr ASSOUMACOU Elia Béatrice.

👉Tao Andranofasika no nanolorana ny fanomezana rehetra, nontronin’ireo Ben’ny tanàna rehetra avy amin’ny distrika Ambato Boeny, ny VPAN Faritany Mahajanga, ny Solombavam-bahoaka voafidy tao Ambato Boeny ary ireo olom-panjakana isan-tsokajiny sivily sy miaramila avy any Mahajanga ary ny vahoakan’ny Andranofasika.

✅Nisy ihany koa ny fidinana ifotony tany Farafangana notarihan’ny Tale jeneralin’ny Fikarohana, hijery akaiky ny takaitra nahazo ny CNRO ( Centre national des Recherches Océangraphiques) sy ny Oniversite any an-toerana.

👉Natao “laharam-pahamehana ny fanarenana haingana ny CNRO izay ivon-toeram-pikarohana misehatra amin’ ny ranomasina sy ny sisintany”.

Naneho fahavononana hifanome tanana amin’ny ministera ny governoran’ny faritra amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny fotodrafitrasa izay nahitam-pahasimbana taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza. Nisy ny fanolorana tohana avy amin’ny Ministera foibe hoan’ireo traboina tao amin’ity ivon-toeram-pikarohana ity.

Ambato Boeny sy FarafanganaAmbato Boeny sy FarafanganaAmbato Boeny sy FarafanganaAmbato Boeny sy FarafanganaAmbato Boeny sy FarafanganaAmbato Boeny sy FarafanganaAmbato Boeny sy FarafanganaAmbato Boeny sy FarafanganaAmbato Boeny sy FarafanganaAmbato Boeny sy FarafanganaAmbato Boeny sy Farafangana
Revenir    AccueilAccueil du site