Fanolorana fitaovana tao amin’ny CIDST
26 août 2021
26 Aogositra 2021

Fanolorana fitaovana tao amin’ny CIDST
Nanolotra solosaina miisa 14, imprimante 1, vidéo projecteur 1, disque dur externe 1 ho an’ny CIDST, Ivon-toerana fanapariham- baovao sy ny tahirin-kevitra siantifika ary teknika, ny NIC-MG(Network Information Center Madagascar) sy ISOC Madagascar(Internet Society Madagascar Chapter) androany 26 aogositra 2021.
Ny NIC-MG sy ny ISOC Madagascar moa dia mpiara-miombon’antoka miara-miasa amin’ny CIDST mba ahafahan’ny olona rehetra misitraka ny internet .
Tanjon’ny fiaraha-miasa ny fampiroboroboana ny fikarohana sy ny fampianarana ambony.

Tetikasa efatra no natolotry ny CIDST. Nomena tombony manokana ny tetikasa mahakasika ny fampianarana sy fikarohana :
- fanatsarana ny angon-kevitra sy ny antontan’isa ;
- tohana amin’ny fananganana orin’asa tsy miankina amin’ny fanjakana ka mampiasa ny fitaovana nomerika ;
- fampiasana ny fitaovana nomerika eo amin’ny sehatry ny fikarohana ;
- fanofanana ny mpikaroka isan-tsokajiny amin’ny fampiasana ireo fitaovana ilaina amin’ny asa ifarimbonana.

Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ireo tetikasa ireo izao fanolorana fitaovana izao.
Enim-bolana ny faharetan’ny tetikasa.

CIDST-TSIMBAZAZACIDST-TSIMBAZAZA
Revenir    AccueilAccueil du site