Fankalazana ny faha 60 taonan’ny Fakiolten’ny Siansa (...)
12 novembre 2021
12 novembre 2021

Fankalazana ny faha 60 taonan’ny Fakiolten’ny Siansa Antananarivo.

Lanonana goavana no nanamarihana ny ivon’ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny Fakiolten’ny Siansa teny amin’ny esplanade Ankatso androany 12 novambra 2021.
Notokanana tamin’izany ireo Fotodrafitrasa efatra lehibe vita.
- Ny "jardin connecté" sy ny "châlet connecté" izay natao hianaran’ny mpianatra sy handraisana ny fianarana ampitain-davitra ary hipetrapetrahana.
- Ny Kianja Vintsy Vintsiala, natao hisakafoana.
- Ny TICE e-K@roka izay natokana ho an’ny fikarohana ary hanomezana tombony manokana ho an’ireo mpianatra. Fitaovana maro toy ny solosaina, onduleur, kit robotique, raspberry no hita ao.

Natao ireo fotodrafitrasa ireo ho fanatanterahana ny paikadin’ny Fakiolten’ny Siansa amin’ny fampiroboroboana sy fanapariahana ny asa fikarohana ary ny fampiasana ny teknolojia hitondrana fampandrosoana.
Notanterahana nandritra ity lanonana ity ihany koa ny fametrahana ny vato fehizoron’ny trano fianarana vaovao. Ahitana rihana telo ary misy efitrano fianarana 18.

Hifarana amin’ny volana desambra ny fankalazana ny faha 60 taona araka ny nambaran’ny sojaben’ny Fakiolten’ny Siansa RAMAHAZOSOA Irrish Parker.
Tonga nanatrika ny lanonana ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Profesora ASSOUMACOU Elia Béatrice izay mpiahy ny fankalazana.

AnkatsoAnkatso
Revenir    AccueilAccueil du site
slot slot gacor link slot gacor slot777 slot gacor slot gacor slot slot88 slot online bet88 judi bola bet88 https://ppid.idu.ac.id/produk/sepuh77/ https://journalng.uwks.ac.id/file/trend/ https://2021.kinerja.ekon.go.id/halal/bet88 https://pariwisata.darmajaya.ac.id/wp-content/themes/ http://bpbd.karangasemkab.go.id/amp/ bet88 bet88 bet88