Fanazavana mahakasika ny tolo-dalàna momban’ny fizakan-tenan’ny
25 avril 2022
MESupReS Fiadanana

Tolo-dalàna mikasika ny fizakan-tenan’ny Oniversite sy ny CNR

Nitondra fanazavana mahakasika ny tolo-dalàna momban’ny fizakan-tenan’ny oniversite sy ireo ivon-toeram-pikarohana ny Ministry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-Tsiansa, Pr ASSOUMACOU Elia Béatrice androany 25 aprily 2022 teto Fiadanana.

Ny lalàm-panorenana andininy faha-95, I. teboka faha-14 dia mametraka ny tokony hananan’ny oniversite sy ireo sampampikarohana fizakan-tena. Amin’ny alalan’ny " domaine de la loi " no hametrahana azy.

Fanarahana izany no nahatonga ireo sendikan’ny mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka-mpampianatra nanatontosa izany tolo-dalàna izany.
Nanatontonsa ny fakana ny tsoa-kevitra tamin’ireo lehiben’ny sampam-pampianarana, ireo filohan’ny oniversite rehetra manerana ny Madagasikara sy ireo sampam-pikarohana misy eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa. Efa fanao ny « large consultation » eto anivon’ny ministera indrindra amin’ny lalàna lehibe sy mametraka amin’ny toerany ny oniversite sy ny CNRs izao.

Ny 9 febroary 2022 dia nivoaka ny fanapahan-kevitry ny HCC izay mifanipaka amin’ny fanapahan-kevitry ny HCC tamin’ny taona 2020.
Manelanelana mba hisian’ny vahaolana ary mitondra soso-kevitra hivoahana amin’izao olana izao ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa satria anisany andry iankinan’ny oniversite sy foibem-pikarohana izany fizakan-tena izany (miantoka ny Paix sociale).
Rehefa nodinihina ny tolo-dalàna izay natolotry ny mpampianatra dia misy andininy maromaro mampifanolana azy amin’ny HCC dia ny andininy faha-2, faha-12, faha-17, faha-20 sy 21.

Tsy tara ary tsy misy ny sakana amin’ny fanatanterahana latabatra boribory, fifanantonana mba ho filaminan’ny toe-draharaha.
Miantso ireo mpikaroka, mpampianatra, mpandraharaha, mpianatra mba ho tony ao anatin’izao fitadiavana vahaolana izao sy ao anatin’ny firosoana amin’ny fametrahana ny lamina rehetra ary mampiantso hatrany ny tsy hijanonan’ny fifandraisana sy ny hitohizan’ny fifanantonana mba hirosoana amin’ny tanjona izay efa napetraka dia ny « Anjerimanontolo, ivon-toeram-pikarohana mirindra sy milamina ary mahaleo tena ».

25 Avril 202225 Avril 202225 Avril 2022
Revenir    AccueilAccueil du site