Fanadiovana ny toeram-ponenan’ny mpianatra
23 avril 2021
23 avril 2021

VONTOVORONA : nodiovina ny toeram-ponenan’ny mpianatra :
Ho fiahiana ara-pahasalamana ny mpianatra ,dia manohy ny asa fanadiovana ny eny amin’ny
toeram-ponenan’izy ireo ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa.
Tao aorian’ny Cité Ankatso I sy Ankatso II, Ambohipo ary Ambolonkandrina dia ny teny
Vontovorona no nodiovina androany 23 Aprily 2021.Miara-miasa hatrany amin’ny BMH ny CROUA
amin’ny famendrahana ranom-panafody isan-trano sy ny elakelan-trano ary ny manodidina
rehetra. Navitrika rahateo ny mpianatra tamin’ny fanomezan-tanana azy ireo.

Nohamafisina ny fanentanana amin’ny fanajana ny FEPETRA SAKANA ho fiarovana ny mpianatra
amin’ny COVID-19 sy hitandroana ny fahadiovana eny amin’ny toeram-ponenanaana. Nisy ny fitaovana
toy ny BAC à ORDURE miisa 105 napetraka isaky ny Cité Universitaire misy eto Antananarivo, ka nahazo
anjara iray isaky ny BLOC ny eny Vontovorona.
Amin’ny maha-mpiahy ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa dia
vaindohan-draharaha ho azy ankehitriny ny fiarovana ny mpianatra manolona ny fihanaky ny COVID-19.
#Mesupres_communique

Vontovorona
Revenir    AccueilAccueil du site