Fanadinana Bakalorea
19 octobre 2020
19 Octobre 2020

Tamin’ny 5 ora no tonga nitsidika ny Lycée Analamahitsy ny delegasiona notarihin’ny Pr Elia Béatrice ASSOUMACOU, Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa io maraina io izay andro voalohany amin’ny fanadinana bakalorea.

Ankoatra ny Lycée Analamahitsy dia notsidihina ihany koa ny Lycée Technique et Professionnel Ampefiloha, ny Lycée Moderne Ampefiloha, ny Lycée Gallieni Andohalo ary ny CEG Tsimbazaza.
Misahana ny fanaraha-maso manerana ny Nosy kosa ireo mpikambana ao amin’ny Kabinetra sy ireo Tale maromaro.

Raha ny hita teny an-toerana dia nanaraka ny rindran-damina napetraka sy ny fepetra noraisina ny fiandohan’ny fanadinana bakalorea tamin’ny ankapobeny na ny teto Andrenivohitra na ny tany amin’ny faritra manerana ny Nosy.

Nanao arovava orona avokoa na ny mpiadina na ny mpiandraikitra ny ivon-toeram-panadinana. Nisy ny fandraisana ny hafanana alohan’ny hidiran’ny mpiadina ny toeram-panadinana. Nalamina ny fidiran’ny mpianatra ny efitranom-panadinana mba tsy hampilaharana be loatra ny mpiadina na koa hampitangorona azy ireo.
Saika nanomboka ara-potoana daholo ny fanadinana raha ny angom-baovao azo.

Nanditra io fidinana ifotony io koa no nanamafisana ny fametrahana efitrano manokana ho an’ny izay mpianatra voamarina fa mitondra ny tsimok’aretina Covid-19 nefa tsy misy ny soritr’aretina ety ivelany.

Tsy fijerena ifotony ny fizotran’ny fanadinana ihany moa no nataon’ny Ramatoa Minisitra Pr ASSOUMACOU Elia Béatrice teny amin’ireo ivon-toeram-panadinana ireo fa nankahery ireo tompon’andraikitra rehetra ihany koa.

Nanontrona ny ministera tamin’ity fidinana ifotony ity moa ny Filohan’ny Oniversiten’Antananarivo sy ireo mpiara-miasa aminy.

MESRS-FiadananaMESRS-FiadananaMESRS-FiadananaMESRS-Fiadanana
Revenir    AccueilAccueil du site