Fampahatsiahivana mahakasika ny fanadinana Bakalorea (...)
2 août 2021
02 aogositra 2021

Herinandro katroka sisa dia ho avy ny fotoana hanatanterahana ny fanadinana bakalorea 2021. Ny tsara hofantatra nampitain’ny Tale Jeneralin’ny Fampianarana Ambony, ny Profesora RAJAONARISON Jean François :
Ho tanterahina ny 9 hatramin’ny faha 13 ny volana aogositra 2021 ny fanadinana bakalorea ankapobeny
sy ny bakalorea teknika fihodinana voalohany. Ny 16 ka hatramin’ny faha 19 ny volana aogositra kosa no hanatanterahana ny fihodinana faharoa ho an’ny bakalorea teknika.

Ho tonga tsy ho ela any amin’ny foibem-panadinana rehetra ny laza adina. Marihana fa voahaja avokoa ny fepetra rehetra fiarovana ny laza adina izay iaraha-miasa amin’ny mpitandro filaminana. Entanina ny mpiadina rehetra mba hanomana dieny izao sy tsy hanadino ny taratasy rehetra ilaina amin’ny fanadinana, toy ny taratasy fiantsoana na ny convocation, ny karapanondro na ny karatra maha mpianatra ho an’ireo izay mbola tsy manana karapanondro.
Mahakasika ny série vaovao :
Marihana etoana fa amin’ity taona ity dia misy ny série vaovao S sy L ary ny OSE. Mitovy ny taranja hanadinana fa ny laza adina sy ny lanjan’isa ary ny faharetany ihany no samy hafa.Ho an’ny bakalorea teknika moa dia tsy misy fiovana.
Tsara ho marihana ihany koa fa ny mpiadina tsirairay dia any amin’ny toerana izay vosoratra ao anaty taratasy fiantsoana ihany no manao ny fanadinana.
Mikasika ny fanapariahana ny laza adina tsy izy, na any amin’ny fanomanana any amin’ireo toerana samihafa,
na any amin’ny tambazotran-tserasera, dia tsara ny mampahafantatra fa misy ny fepetra henjana hamaizana izay rehetra minia manao izany.
Misarika ny sain’ny mpiadina rehetra mba hifantoka amin’ny famerenana sy ny fanomanana ny fanadinana mba ahazoana vokatra tsara.

MESupReS Fiadanana
Revenir    AccueilAccueil du site
slot slot gacor link slot gacor slot777 slot gacor slot gacor slot slot88 slot online bet88 judi bola bet88 https://ppid.idu.ac.id/produk/sepuh77/ https://journalng.uwks.ac.id/file/trend/ https://2021.kinerja.ekon.go.id/halal/bet88 https://pariwisata.darmajaya.ac.id/wp-content/themes/ http://bpbd.karangasemkab.go.id/amp/ bet88 bet88 bet88