FIZAKAN-TENAN’IREO ONIVERSITE
9 mai 2022
MESupReS Fiadanana

FIZAKAN-TENAN’IREO ONIVERSITE

Naharitra adiny roa latsaka kely ny fihaonan’ny birao nasionaly sy ireo sampana SECES niaraka tamin’ny Ramatoa Ministra sy ireo mpiara-miasa aminy.

Nibahana tao anatiny fifanakalozana ny fitadiavana vahaolana momba ny tolo-dalana mamaritra ny fizakan-tenan’ny oniversite sy ireo ivo toeram-pikarohana miankina amin’ny fanjakana.

Voafaritra mazava ao amin’ny andininy faha 95 I-14° ao amin’ny lalampanorenana ny fizakan-tenan’ny ireo oniversite ary ny lalana no hametrahana izany. Mizara telo mazava io fizakan-tena sy fahalalahan’ny oniversite io ( ara-siantifika sy pedagojika, ara- mpitantanana ankapobeny, ary ny fitantananam-bola).

Izay fahalalahana ara siantifika sy pedagojika izay no antokin’ny asa mahampampianatra azy ka hiarovana ny fahalalahany sy hanajana ny " autonomie pédagogique et scientifique" sy ny "franchise universitaire".

Niarahan’ny rehetra nanaiky ary nofaritana mazava tsara ao anaty izany tolo-dalana izany ny fametrahana ny "agence comptable" hitantana ny volam-panjakana ary ny fahafahan’ireo oniversite manokatra "compte bancaire " ho an’ny " ressources propres" izay fanajana ny " autonomie financière".

Antoka lehibe iray hisian’ny filaminana eo anivon’ny oniversite ny fametrahana izany fizakan-tena izany.

Mitohy tsy tapaka ny fifanakalozana hevitra mba ahitana vahaolana . Nisy moa ny tolo-kevitra nandritra io fihaonana io ny mba hifanantonan’ny HCC, MEF, MESUPRES ary ny SECES mba handinihana sy hanazavana mialoha ireo teboka izay nitondran’ny HCC fanakianana mialohan’ny fandrosoana azy eny amin’ireo antenimiera isany indray

09 Mai 202209 Mai 202209 Mai 202209 Mai 202209 Mai 202209 Mai 2022
Revenir    AccueilAccueil du site