FILAZANA MAHAKASIKA NY VATSIM-PIANARANA
3 avril 2022
03 Avril 2022

Filazana Vatsim-pianarana

Mampahafantatra ny mpianatra rehetra fa mbola mitohy ny "qualifications"ho an’ireo mpianatra L1 izay mbola tsy nahavita izany amin’ny oniversite tsirairay avy. Any an-toerana ireo teknisiana avy aty amin’ny ministera foibe (MESUPRES) izay iraky Ramatoa Ministra nanomboka tamin’ny 29 martsa lasa teo, toy ny any Toliary, Toamasina sy Fianarantsoa ary Mahajanga.
Izany no natao sy hatao dia mba hanatsarana sy hanafainganana hatrany ny fikirakirana ny vatsim-pianarana.

Ho an’ireo mpianatra L2 miakatra tsy mbola nahavita "qualifications" dia hivoaka tsy ho ela ny tetiandro hanantanterahina izany.
Ho an’ireo mpianatra izay manana olana manokana dia afaka manatona ireny teknisiana ireny avy hatrany.

MesupresMesupresMesupres
Revenir    AccueilAccueil du site