FIDINANANA IFOTONY HO FIJERENA AKAIKY SY FIAHIANA NY (...)
31 janvier 2022
31 janoary 2022

FIDINANANA IFOTONY HO FIJERENA AKAIKY SY FIAHIANA NY TRA-BOINA
(hetsika notarihin’ny vadin’ny Filoham-pirenena, notronon’ireo minisitra vehivavy)

✅Tonga nitsidika ireo tra-boina teny Ambohitrimanjaka sy Gymnase Ankorondrano i Ramatoa Mialy Rajoelina, Filohan’ny Association Fitia , niaraka tamin’ireo ministra vehivavy mpikambana ao amin’ny governemanta ka anisan’izany ny Pr ASSOUMACOU Elia Béatrice, Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, ny Alatsinainy 31 janoary 2022.

✅Tokantrano miisa 873 no tra-boina tamin’ireo toerana ireo raha 257 no hita ao Ambohitrimanjaka avy amin’ny distrikan’Ambohidratrimo sy Antananarivo VI, ary 616 ao amin’ny Gymnase Ankorondrano avy amin’ny fokontany 5 (Ankorondrano Andrefana, Ankorondrano Antsinana, Andranomahery, Tsaramasay, Ankazomanga Andranahary) .

✅Fitaovana maro avy amin’ny " Association Fitia " no nozaraina azy ireo toy ny Vary, Kidoro, fanampin-tsakafo(Fer), Savony, sira, menaka, jiro mandeha amin’ny masoandro, fanafody sns…

✅Ahitana "clinique mobile" miisa efatra ihany koa eny an-toerana ahafahana mizaha ny fahasalamana amin’ny ankapobeny toy ny : Fijerena manokana ireo vehivavy mitondra vohoka sy mitaiza kely, fanomezana torohevitra mahakasika ireo aretina azo amin’ny firaisana ara-nofo, fandrindrana ny fianam-pianakaviana, fitiliana ny tsy fanjariantsakafo amin’ny zaza, ary ny fitiliana covid-19 sy ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza.

✅Ankoatra izay dia misy ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny " Association Fitia " amin’ny fandraisana an-tanana ireo hianjadian’ny herisetra.

AntananarivoAntananarivoAntananarivoAntananarivoAntananarivo
Revenir    AccueilAccueil du site