FAMBOLEN-KAZO MESUPRES 2022
25 mars 2022
25 Mars 2022

FAMBOLEN-KAZO MESUPRES 2022

👉Mitondra ny anjara birikiny hanatrarana ny velirano faha-10 ny Filoham-pirenena ho fanamaitsoana an’i Madagasikara ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa.
Nanatanteraka fambolen-kazo tao amin’ny fokontany Ampangabe, kaominina ambanivohitr’Ambalavao, ny fianakaviam-ben’ny MESupReS ny 25 martsa 2022.

Zana-kazo 10 000 ahitana karazany maro sy miavaka entina manome fahafampo ny filan’ny olombelona, toy ny Kininina, Pin, Acacia, Palissandre sy baobab.
Nisy ihany koa ny karazan-kazo izay ny MESupReS no namboly azy voalohany eto afovoan-tany, dia ny Miletia pinnata. Mampiavaka azy ny voany izay ahafahana maka menaka ampiasaina amin’ny fiara manidina.

✅Nambaran’ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr ASSOUMACOU Elia Béatrice, nandritra ny fandraisany fitenenana fa atao izay tsy hahavery an-javony ny ezaka fambolen-kazo toy izao. "Dimy taona no mihoatra no tokony hikolokoloana ity toerana ity mba hahalasa azy ho toerana azo tsidihana ho an’ny mpikaroka sy ny mpianatra noho ny fisian’ireo hazo izay vokatry ny Fikarohana", hoy izy.

Teny filamatra nentin’ ny Ministera nanatanteraka ny fambolen-kazo ny hoe " Fikarohana ho an’ny tontolo maitso lovain-jafy"

Ampangabe, kaominina ambanivohitr’AmbalavaoAmpangabe, kaominina ambanivohitr’AmbalavaoAmpangabe, kaominina ambanivohitr’AmbalavaoAmpangabe, kaominina ambanivohitr’AmbalavaoAmpangabe, kaominina ambanivohitr’AmbalavaoAmpangabe, kaominina ambanivohitr’AmbalavaoAmpangabe, kaominina ambanivohitr’AmbalavaoAmpangabe, kaominina ambanivohitr’AmbalavaoAmpangabe, kaominina ambanivohitr’AmbalavaoAmpangabe, kaominina ambanivohitr’AmbalavaoAmpangabe, kaominina ambanivohitr’AmbalavaoAmpangabe, kaominina ambanivohitr’AmbalavaoAmpangabe, kaominina ambanivohitr’Ambalavao
Revenir    AccueilAccueil du site