💻« DIGITALISATION » ny karaman’ny mpandraharaha sy ny vatsim-pianaran’ny mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony :
EFA MANARAKA NY DINGANA SY FANDAMINANA REHETRA VOAFARITRA NY TOMPONANDRAIKITRA
Manoloana ny fisavorovoroan-kevitra mety hitranga eo amin’ny mpandraharaha sy ny mpianatra eny anivon’ny Oniversite sy IST dia nampahatsihivin’ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr ASSOUMACOU Elia Béatrice androany, tetsy Fiadanana, nandritra ny tafa fohy nifanaovany tamin’ny mpanao gazety fa efa mandroso ny pitsopitsony teknika rehetra amin’ny firosoana amin’ny fanatobiana niomerika na « digitalisation » ny mombamomba ny mpiasa rehetra sy ny vatsim-pianaran’ny mpianatra.

Efa vita tamin’ny taon-dasa ny « Qualification » izay dingana voalohany amin’ny fampiharana ny « Digitalisation ». Nanomboka ny voalohan’ny taona dia niroso tamin’ny fanavaozana sy ny fanamarinana ireo « données » ny ministera miaraka tamin’ireo oniversite.


Momba ny vatsim-pianarana manokana dia efa nisy ny fizarana ny karatra ho an’ny mpianatra ao amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa, izay mbola mitohy any amin’ireo Oniversite hafa. Ny dingana manaraka dia ny « activation » an’ireo karatra eo am-pelatanan’ny mpianatra, izay iarahana miasa amin’ny Paositra Malagasy.


Efa voafaritra ny tetiandro hanatanterahana izany amin’ny Oniversite na toeram-pampinarana sasany, toy ny eny amin’ny Sekoly Ambony Politeknika Vontovorona izay hatao ny Alarobia 02 ka hatramin’ny Zoma 04 Martsa ho avy izao araka ny tetiandro novolavolaina tamin’ny faha 23 volana febroary.
Aorian’ireo rehetra ireo dia afaka mamoaka ny tetiandron’ny fandraisana vatsim-pianarana araka izay mampety azy ny Paositra sy ny eo anivon’ny Oniversite tsirairay. Noho izany dia entanina hatrany ny mpianatra mba ho tony satria efa miroso amin’ny dingana andrasana ny rehetra.
 |