Baccalauréat 2022
17 janvier 2022
17 janvier 2021

#BAKALOREA_2022
FAMPAHAFANTARANA

Ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa dia manao izao fampahafantarana manaraka izao momba ny fanadinana bakalorea taona 2022.
Araka ny didim-pitondrana Iaharana faha 196/2022- MESupReS tamin’ny 11 Janoary 2022 dia mitsinjara toy izao mananaraka izao ny datin’ny fanadinana Bakalorea 2022 :

1- Ho an’ny Bakalorea Ankapobeny : Ny Alatsinainy 18 ka hatramin’ny Zoma 22 jolay 2022.
2- Ho an’ny Bakalorea Teknolojika sy Teknika ary Arak’asa :
- Ny Alatsinainy 18 ka hatramin’ny Zoma 22 jolay 2022 : 1ère Partie ,
- Ny Alatsinainy 25 ka hatramin’ny alakamisy 28 jolay 2022 : 2ème Partie
3- Ny fisoratana anarana dia nanomboka ny Alatsinainy 10 janoary 2022 tamin’ny 08 ora maraina ary hifarana ny Zoma 11 martsa 2022 amin’ny 06 ora hariva, any amin’ireo Sampan-draharaha miandraikitra ny fanadinana Bakalorea (na OFFICE DU BACC) isaky ny Oniversite tsirairay.
Ny saram-pisoratana anarana dia tsy miova ary mitsinjara toy izao :
- DIMY ARIVO SY IRAY ALINA ARIARY (Ar 15.000) ho an’ny mpiadina atolotry ny sekoly,
- DIMY ALINA ARIARY (Ar 50.000) ho an’ny mpiadina misora-tena,
- IRAY HETSY ARIARY (Ar 100.000) ho an’ny mpiadina teratany vahiny mianatra eto Madagasikara.

Toy ny tamin’ny taona 2021, ny bakaloreo ankapobeny dia mitsinjara toy izao :
ny Série L dia misy ny Option Al, Option A2 ary Option L ny Série S dia misy ny Option C, Option D ary Option S, ny Série OSE dia misy ny Option OSE (na Organisation, Société, Economie).
Ho an’ny bakalorea Teknika sy Arak’asa kosa dia misokatra amin’ ity taona 2022 ity ny sokajim-pananadinana "Tourisme Hôtellerie et Restauration" .
Ho an’izay mila fanazavana manokana dia iangaviana hanatona ny tompon’andraikim-panadinana ao amin’ny Lycée Technique ao amin’ny Lycée Technique Ampefiloha (Ex CTM) Batiment A.
Mba hisorohana ny fahatarana eo amin’ny fisoratana anarana mba tsy hahavery zo ireo izay rehetra te hiatrika ny fanadinana voalaza etsy ambony, dia iangaviana isika rehetra tompon’andraikitra isan-tsokajiny (ny Talen-tsekoly, ny Cisco, ny DREN, ny OFFICE DU BAcc, sns) mba hampita izao fanambarana izao ahafahan’ny tsirairay mandray ny tandrifiny avy ara-potoana.
Ao anatin’ny fanajana tanteraka ny fepetra ara-pahasalamana no hanatanterahantsika ireo rehetra ireo.

Mesupres-TsimbazazaMesupres-Tsimbazaza
Revenir    AccueilAccueil du site