BAKALOREA 2021
15 juillet 2021
15 juillet 2021

BAKALOREA 2021 :

- Nitafa tamin’ny mpanao gazety ny Alarobia 14 Jolay tolakandro ny tomponandrikitra avy amin’ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa sy ny avy ao amin’ny Zandarimariam-pirenena nampahafantatra ny fizotry ny fanomanana ny fanadinana BAKALOREA 2021 :
- Nandritra io fotoana io no nampahafantarana fa lafiny 3 no imasoana amin’ny fanomanana ity BAKALOREA 2021 ity dia ny ara-tekinika,ny ara-pahasalamana ary ny filaminana.

• Eo amin’ny lafiny tekinika aloha ,dia nambaran’ny Tale Jeneralin’ny Fampianarana Ambony Pr RAJAONARISON Jean François fa efa amperin’asa tanteraka ireo mpamolavola ny laza adina izay efa any anatin’ny fihibohana amin’izao fotoana izao.Marihina fa mialohan’ny niaingan’izy ireo dia nisy ny fitiliana ny COVID-19 natao tamin’ireo ekipa rehetra hihiboka mba hiantohana ny fahasalamana,fitiliana izay niarahana niasa tamin’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka.
Ankoatr’izay dia nampahatsiahivin’ny tomponandraikitra teto ny antontanisa hoan’ity BAKALOREA 2021 ity izay nanamarihana fa nitombo16% ny taham-pisoratana anarana raha miohatra amin’ny BAKALOREA 2020.Miisa 196 084 ny mpiadina manerana ny nosy,ka ny 185 500 amin’ireo dia bakalorea ankapobeny raha 10 584 ny bakalorea teknolojika,tekinika sy fanofanana arakasa.Nahitana fitomboana ihany koa ny isan’ny foibem-panadinana,raha 423 ny tamin’ny taon-dasa dia 435 tamin’ity taona ity,izany hoe foibem-panadinana 12 vaovao no nosokafana. Nitondra fanazavana fanampiny ny Tale Jeneralin’ny Fampianarana Ambony mahakasika ny sokajin’ny mpiadina izay nitondrana fanatsarana manomboka amin’ity fanadinana BAKALOREA 2021 ity dia ny fisian’ny SOKAJY LITERERA ahitana safidy A1,A2 ary L, sy ny SOKAJY SIANTIFIKA misy ny safidy C,D ary S ,ary ny SOKAJY OSE ahitana safidy "Organisation","Société"ary"Economie".Nanentana ny mpiadina mba hanaraka tsara ny safidy efa nataony ny tomponandraikitra teto.

• Eo amin’ny lafiny fahasalamana dia ho hentitra hatrany ny fampanajana azy io mandritra ny fanadinana. Mbola ao anatin’ny hamehana rahateo ny firenena,ka tsy maintsy hajaina ny fepetra sakana rehetra,hoy ihany ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa.

• Ankoatra ireo rehetra ireo dia nanantitrantitra ny Colonel RANDRIANARIVELO Annissé,komandin’ny vondrotobimpileovan’ny Zandarimariam-pirenena Analamanga fa hotohizana ny fanaraha-maso sy fandraisana fepetra avy hatrany manoloana ny fanaparitahana laza adina sandoka manakorontana ny saim-bahoaka indrindra fa ny mpiadina sy ny ray aman-dreny.Tsy handefitra ny mpitandro filaminana amin’ireo izay minia hampisavorovoro toy izany na mivantana io ,na ankolaka amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera . Raha tsiahivina dia miara-dalana hatrany amin’ny fandavorariana ny BAKALOREA ny ZANDARIMARIA,manomboka hatrany amin’ny fihibohana(conclave) izay hentitra dia hentitra ny fepetra fitandroam-pilaminana,mitohy amin’ny fanaterana ny laza adina any amin’ny faritra samihafa sy ny foibem-panadinana ary tonga hatrany amin’ny fitsarana ny fanadinana.

#Mesupres_communique

Revenir    AccueilAccueil du site
slot slot gacor link slot gacor slot777 slot gacor slot gacor slot slot88 slot online bet88 judi bola bet88 https://ppid.idu.ac.id/produk/sepuh77/ https://journalng.uwks.ac.id/file/trend/ https://2021.kinerja.ekon.go.id/halal/bet88 https://pariwisata.darmajaya.ac.id/wp-content/themes/ http://bpbd.karangasemkab.go.id/amp/ bet88 bet88 bet88