ANDRO IRAISAM-PIRENENA HOAN’NY VEHIVAVY
8 mars 2022
08 mars 2022

“Tsy nanadino ny Faritra BOENY ny Minisitra mpiahy”

Isan’ny notsarovan’i Minisitra, ny Pr ASSOUMACOU Elia Béatrice tamin’izao fanamarihana maneran-tany ny andron’ny vehivavy izao ny fikambanam-behivavy ao amin’ny 46 kaomina mandrafitra ny Faritra BOENY, fikambanam-behivavin’ny Oniversiten’i Mahajanga sy ny fikambanana KB8M ivondronan’ireo andriambavilanitra ao Mahajanga.

Ankoatra ny fiarahabana sy ny firariantsoa nampitaina amin’izy ireo dia nisy ny fanomezana natolotra izay nosafidina manokana mba ahafahan’ireo vehivavy miavotse amin’ny fiainany toy ny milina fanjaraina elektrika, lambahoany ary vilany be ankoatra ny fanomezana ranom-boakaza mba ahafahan’izy ireo mifaly.

Nisolo tena ny Minisitra tamin’ny lanonam-panolorana ireto fanomezana ireto ny mpiara-miasa aminy notarihin’ny Tale Jenaralin’ny Fampianarana Ambony ny Prof RAJAONARISON Jean François.

Faritra BoenyFaritra BoenyFaritra BoenyFaritra BoenyFaritra Boeny
Revenir    AccueilAccueil du site