45 ème anniversaire CNARP
24 mai 2022
Ambohijatovo Ambodivoanjo

𝐅𝐚𝐧𝐤𝐚𝐥𝐚𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐡𝐚 45 𝐭𝐚𝐨𝐧𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐂𝐞𝐧𝐭𝐫𝐞 𝐍𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧𝐚𝐥 𝐝’𝐀𝐩𝐩𝐥𝐢𝐜𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐝𝐞𝐬 𝐑𝐞𝐜𝐡𝐞𝐫𝐜𝐡𝐞𝐬 𝐏𝐡𝐚𝐫𝐦𝐚𝐜𝐞𝐮𝐭𝐢𝐪𝐮𝐞𝐬 𝐂𝐍𝐀𝐑𝐏 (1977-2022).

Lanonana goavana no nanokafana ny fankalazana ny faha 45 taonan’ny CNARP ny 24 may 2022, teny amin’ny foibeny teny Ambohijatovo Ambodivoanjo.
Tonga nanotrona izany i Ramatoa Pr ASSOUMACOU Elia Béatrice, Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, izay ministera mpiahy ireo ivon-toeram-pikarohana 9.

"Tsy vita iray andro, tsy vitan’olo-tokana ny fikarohana noho ny fenitra tsy maitsy arahina mba ahatonga azy hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Ilaina noho izany ny fivondronan’ireo mpikaroka isan-tokony" hoy ny Ministra nandritra ny fandraisam-pitenenany.Manohana ny mpikaroka amin’ny lafiny rehetra ny ministera.

Miompana amin’ny fahasalamana ny fikarohana ataon’ny CNARP ary miainga avy amin’ny zavamaniry sy ny famokarana fanafody. Nambaran’i Rtoa RAKOTOSAONA Rianasoambolanoro, talean’ny CNARP fa “ maro ny fanafody novokarin’ny CNARP nanomboka ny taona 2015, miisa 13 izy ireo ankehitriny.
Fanta-daza amin’izany ny Fanaferol izay fanasitranana fery. Eo ihany koa ny CVO plus, ny Hevokina, Niaouli sy ny maro hafa, izay samy azo avy amin’ny zavamaniry avokoa.”

Nofaranana tamin’ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny CNARP sy ny Pharmalagasy ny fotoana.

24 Mai 202224 Mai 202224 Mai 202224 Mai 202224 Mai 202224 Mai 202224 Mai 202224 Mai 202224 Mai 202224 Mai 202224 Mai 202224 Mai 202224 Mai 2022
Revenir    AccueilAccueil du site