Ao anatin’ny fanatanterahana ny Politika Ankapoben'ny Fanjakana amin'ny fanomezana Fampianarana tsara kalitao ho an'ny rehetra dia natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny 31 oktobra 2024 tao amin'ny Oniversite Ambondrona Mahajanga ny « connexion Wi-Fi » maimaimpoana. Efa an-taonany maro no nangatahan’ireo mpianatra izany mba hahafahan’izy ireo manao fikarohana ka izao novalian’ny fitondram-panjakana izao.
Izao fampitaovana izao no tanteraka dia nohon’ny fiaraha-miasa amin’ny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny Haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra (MNDPT).
Tonga nanotrona izany ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa, Pr Loulla CHAMINAH. Nanamafy ny tenany fa tsy mitsahatra ny mitady vahaolana amin'ny fanatsarana ny fotodrafitrasa sy ny fiainan'ny mpianatra ny fitondram-panjakana ary nanentana ny mba hampiasana ny aterineto araka ny tokony ho izy.