Ao anatin'ny fankalazana ny faha-50 taonan'ny ivon-toerana nasionaly fampianarana ny teny anglisy CNELA (Centre National d'Enseignement de la Langue Anglaise) dia nisy ny loabary an-dasy notanterahina ny 25 oktobra 2024 tao amin'ny Motel Anosy. Niompana tamin’ny « Fandinihina ireo fomba vaovao enti-mampianatra ny teny anglisy ao anatin’ny taon-jato faha-21 » ny lohahevitra.
Nanokatra izany tamin'ny fomba ofisialy, nisolotena ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, ny Talen'ny Fampianarana Ambony, Dr RAMAHAZOSOA Irrish Parker.
Manodidina ny 50 ireo mpandray anjara, izay nahitana solontena avy any amin’ny Faritra ka teboka efatra mifototra amin'ny tontolon'ny fampianarana teny anglisy sy ny fampiasana ny teknolojia no nodinihina. Fanatsarana ny kalitaon'ny fampianarana teny anglisy no tanjona, amin'ny alalan’ny fomba fampianarana vaovao, voaresaka ihany koa ireo olana sedrain'ny mpampianatra teny anglisy eto Madagasikara sy ny vahaolana mifandraika amin’izany.
Nambaran’ny Talen'ny Fampianarana Ambony fa ny Ministera dia manatsara ny kalitaon'ny fampianarana hitondrana fampandrosoana ho an'ny firenena, araka ny voafaritry ny Politika Ankapoben'ny Fanjakana.
Manana anjara toerana lehibe ny teny anglisy, na eo amin’ny sehatry ny asa na eo amin’ny sehatry ny fikarohana. Fanomezana fampianarana teny anglisy manara-penitra ho an'ny vahoaka malagasy manerana an'i Madagasikara sy any ivelany no fototra sy antom-pisian'ny CNELA ka mifototra amin’izany indridra izao hetsika izao, raha ny fanazavana nomen’ny Talen’ity ivon-toerana ity, ny Dr RAKOTONIERA Zoly.
Ivon-toeram-pampianarana eo ambany fiahian'ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony sy Fikarohana Ara-tsiansa ny CNELA, manana rantsana any amin’ny Faritra izy, mampianatra eny anivon’ireo orinasa ihany koa, ary manana mpianatra 5.000 isan-taona.