Nitrangana halatra sokatra tao amin’ny Valanjavaboahary Tsimbazaza (PBZT) andro vitsy lasa izay, ka karazany 𝑃𝑦𝑥𝑖𝑠 𝑎𝑟𝑎𝑐ℎ𝑛𝑜𝑖𝑑𝑒𝑠 sy 𝐴𝑠𝑡𝑟𝑜𝑐ℎ𝑒𝑙𝑦𝑠 𝑟𝑎𝑑𝑖𝑎𝑡𝑎 no very tamin’izany.
Nidina ifotony teny an-toerana ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla, ny 23 oktobra 2024 manoloana ity tranga ity ary nanambara ny tokony hanamafisana ny fiarovana ny toerana honenan’ireo biby sy nanome torolalana momba ny fepetra horaisina amin’ny fiarovana azy ireo.
Ny Tale Jeneralin’ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr ANDRIAMANIRAKA Jaona Harilala ihany koa dia nanambara fa manameloka tanteraka ny gaboraraka ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa. Ao anatin’ny fanarenana tanteraka ny Valanjavaboahary ny Ministera amin’izao fotoana izao ka tsy maintsy mandray andraikitra mba tsy hisian’ny gaboraraka ary manameloka izay mikasa hanao ratsy.
Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha, nisy ny fangalana alika mpitsongo dia ary efa misy ireo olona ahiahiana ka efa misokatra ny fanadihadiana araka ny voalazan’ny « Maître-chien » avy ao amin’ny Zandarimariam-pirenena, ny Adjudant-Chef RANAIVOSON Herinjaka.
Manara-maso akaiky ny fivoaran’ny toe-draharaha miaraka amin’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy. Tsiahivina fa ankoatra ny maha toeram-pialamboly ny PBZT dia ivon-toeram-pikarohana eo ambany fiahian’ny MESUPRES ihany koa izy.
!! 𝐌𝐢𝐚𝐧𝐭𝐬𝐨 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚𝐩𝐨 𝐬𝐲 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐦𝐚𝐧𝐚𝐦-𝐛𝐚𝐨𝐯𝐚𝐨 𝐦𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐢𝐭𝐲 𝐫𝐚𝐡𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚 𝐢𝐭𝐲 𝐡𝐚𝐦𝐩𝐢𝐥𝐚𝐳𝐚 𝐧𝐲 𝐙𝐚𝐧𝐝𝐚𝐫𝐢𝐦𝐚𝐫𝐢𝐚.