Manatanteraka fampiofanana momba ny drafitry ny asa isan-taona na ny « Plan de Travail Annuel » (PTA), eto anivon’ ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, ny Consultant Cap Data, izay tarihin’ Atoa ANJARATIANA Lalaina Fiononana Yves, ny 22 hatramin’ny 24 oktobra 2024.
Ny PTA dia rindrambaiko informatika handaminana sy handrindrana ny asa isan-taona, ahafahana mandrefy sy mampitombo ny fahombiazana sy ny fangaraharahana, ao anatin’ ny asa fampianarana eto Madagasikara. Natao indrindra hanatsarana ny fomba fiasa anatiny sy hanamorana ny fitantanana ny asa ary hizarana fahalalana sy traikefa ity fiofanana ity.
Mba hampitovy ny paik’ady eo amin’ny sehatry ny fampianarana dia iarahana misalahy amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena (MEN) sy ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak’asa (METFP), izao fiofanana izao.