Ny faha 14 oktobra 2024 dia tonga nanao fitsidihana ara-pomba fanajana ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla ny Vaomiera sosialy ao amin'ny Antenimierandoholona notarihan'ny Filohany, ny Loholon’i Madagasikara NDREMANJARY Jean André, sy ny "Comité de Création de l’Université d'Agnambahy" na CCUA, notarihan'ny Filohany ihany koa, Dr RAVELOJAONA Félicien.
Votoatin’ny fihaonana ny fiarahabana ny Minisitra tamin'ny fanendrena azy, fa teo ihany koa ny fanirian’ireto mpitsidika ny hananganana Oniversite mahaleotena sy « manakaiky vahoaka » ao amin’ny Distrikan'i Farafangana.
Nanomboka ny taona 2014 no efa nisy tao amin'ny Faritra Atsimo Atsinanana ny ivon-toeram-panofanana, ahitana lalam-piofanana momba ny siansa maha olona sy ny siansa sosialy. Hetahetan'ny Faritra kosa ny hisian’ny lalam-piofanana hafa toy ny fitantanana, toekarena ary lalàna. Napetraka, araka izany, ny antotan-taratasy fangatahana ny hamadihana ity ivon-toeram-panofanana ao Farafangana ity ho oniversitem-panjakana mahaleotena.