Ny Fitaleavana Jeneraly momba ny Fampianarana Ambony eo anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa dia nanatanteraka atrikasa mikasika ny fanatsarana ny rafitra « accréditation » sy « habilitation » ny 09, 10 ary 11 oktobra 2024, teny Ankadifotsy.

Ity atrikasa ity dia niarahana tamin’ny « Direction de l’Accréditation et Assurance Qualité », ary natao hanatsarana sy hanamafisana ny fizotran’ny fanomezana « accréditation » sy « habilitation » ho an’ireo Ivon-toeram-pampianarana ambony eto Madagasikara, ka natomboka tamin’ireo misehatra amin’ny siansa paramedikaly.

Maro ireo tolotra fampianarana efa miandry « habilitation », ary mbola vitsy ireo nahazo ny « accréditation ». Noho izany dia drafitra tondrozotra narafitra mba hampivoarana ity dingana manan-danja ity. Io tondrozotra io no hanome lalana mazava sy torolalana momba ny asa rehetra ilaina mba hahazoana « accréditation » sy « habilitation », ary ahafahana manatona ireo mpamatsy vola hanohana ny fanatanterahana ireo tetikasa.

Anisan’ny tanjona lehibe napetraka nandritra ny atrikasa ny fananganana « Agence Nationale d’Accréditation » eto Madagasikara, izay hisahana manokana ny fanaraha-maso ny kalitaon’ny fampianarana sy ny fiofanana atolotra ireo mpianatra sy matihanina eto amin’ny firenena.

Natolotra ny 11 Oktobra 2024, nandritra ny famaranana ny atrikasa notarihin’i Dr RAMAHAZOSOA Irrish Parker, Talen’ny Fampianarana Ambony ny drafitra tondrozotra izay ho fototra iorenan’ny asa rehetra mba hahatratrarana ny tanjona napetraka. Tafiditra ao anatin’izany ny fametrahana paikady mazava sy ny asa rehetra ilaina mba hahatomombana ireo dingana mankany amin’ny « accréditation » sy « habilitation ».

Ity asa fanatsarana ity dia niarahana niasa tamin’ny programa « MOMENTUM Country and Global Leadership »(MCGL-USAID).