Nanao tohivakana ny fandraisan’ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla ireo fikambanana isan-tsokajiny tao amin’ny toeram-piasany, ny 07 oktobra 2024.
Tonga niarahaba sy nitondra ny teny firariantsoa hoan’ny Minisitra ny delegasiona avy ao amin’ny Fikambanan’ny ZAnaky Mahajanga Mitambatra (FIZAMAMI zandriny) sy ny Sata sy Andry Mampitambatra an'ny BOeny (SAMBO). Naneho ny hafaliany izy ireo amin’ny fanendrena an-dRamatoa Minisitra ary nanambara fa vonona ny hifanome tanana sy hiara-hiasa ho fampandrosoana ny Ministera amin’izay mety hifanampiana.
Nandray ny mpikambana ao amin’ny biraon'ny Sendikan'ny Mpiasan'ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (SYNDPERS) ihany koa ny Minisitra. Lahadinika maromaro no naroson ‘izy ireo tamin'izany ary nanamafy Minisitra fa hijery ny fomba hamahana ny olana miaraka amin'ny tompon’andraikitra eto amin’ny Ministera araka ny laharam-pahamehana.
Ny Fikambanan'ny Mpianatra Ambarantonga Ambony, Mpiasa, Mpandraharaha, Maintimolaly avy amin'ny Faritanin'Antananarivo Miray (MAFAMI) sy ny Fikambanan’ny mpianatra avy amin’ny faritra 23 dia noraisin’ny Minisitra ihany koa ka nanaovany tatitra ny asa vita momba ireo fangatahan'ny mpianatra.