Iray volana taorian’ny fifampiresahana tamin’ireo mpianatra mahakasika ny olan’ny rano sy ny jiro eny amin’ny Cité Universitaire R+1 Ankatso II dia nitondra vahaolana ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla. Napetraka ny 02 oktobra 2024 teny an-toerana ny tamin’ny ny vato fototry ny lava-drano na « forage » ho an’ny Cité Universitaire R+1 izay honenan’ny mpianatra vehivavy.
Tafiditra ao anatin’ireo ezaka ataon’ny ministera ho fitadiavam-bahaolana manoloana ny tsy fahampian-drano, indrindra hanamaivanana ny filana rano ary hamahana ny olan’ny tsy fisian-drano eny anivon’ny trano fonenan’ny mpianatra izany.
Fiaraha-miasa amin’ny « Communauté Musulmane Sunnite de Madagascar » (CMSM) izay tarihin’ny Filohany, Atoa Harona MOUSSA no nahafahana nahatontosa izany, ka itondran’izy ireo anjara biriky amin’ny fanampiana ny mpianatra.
Ity lava-drano ity dia azahoana rano mihoatra ny 3m³ isan’ora, miampy fitahirizan-drano mahazaka 15m³ ary vinavinaina haharitra telo volana ny asa fanamboarana araka ny nambaran’ny lehiben’ny mpanatanteraka ny asa, Atoa Onihary Lecca ZIMMER.
Nisaotra sy nankasitraka ny Minisitra ireo mpianatra ary nahatsapa fa nohenoina sy nomena lanja ny fangatahan’izy ireo.